Taranaka WTF ny tanora ankehitriny

Inona ilay hoe WTF? Wikipédia – Twitter – FacebookMisy fiantsoana iray hafa ny tanora teraka nanomboka taoa anatin’ny taona 80 sy ny taona 90 dia ny taranaka Y (Y-Generation), ireo teraka nanomboka io vanimpotoana io tokoa no niaralehibe tamin’ny haikajy sy ny Internet indrindra indrindra. Vao tsy ela no teraka ilay fiantsoana hoe « taranaka WTF » iantsoana ireo mpampiasa ny Internet nanomboka ity taonarivo vaovao vao handingana ny faha-12 taonany ity, inona tokoa no tena fampiasan’ny tanora amin’ny Internet raha tsy ireo telo ireo izay toy izao ny filaharany raha ny ankizy eto Madagasikara no jerena: Facebook, Wikipédia ary Twitter.

Iza no tsy mampiasa Facebook raha tanora efa mahay mikitika Internet eto?
Indrisy eto amintsika fa raha mandeha cyber dia ny Facebook no tena alehan’ny olona kokoa any fa tsy Google na fitaovan-tserasera fitadiavana hafa izany hoe manao fikarohana. Tia mifandray izany ny tanora malagasy no azo andraisana azy. Tia ireo zava-drehetra miseho amin’ny fiainany amin’ny Facebook ny tanora. Misy fikarohana ataonà mpitsabo any andafy ary milaza fa lasa tsy manome olana firy intsony ny fisarahana eo amin’ny mpifankatia roa satria ovaina fotsiny ny « statut amoureux » dia milamina ny resaka. Malahelo rehefa tsy misy mpamaky ny hafatra alefa na koa tsy mahazo fampandrenesana (notification) ary mamy ery ny tontolo andro rehefa be mpitia sy mpamaly ny hafatra alefanao amin’ny rindrinao.

Taranaka Wikipédia hoe?
Ny Wikipédia dia ilay rakipahalalana (encyclopédia) misokatra ho an’ny rehetra ary afaka hifandrombon’izay mazoto te hanitsy na hanampy fahalalana ao. Efa misy ho an’ny teny malagasy mihitsy moa izy ity mg.wikipedia.com(http://mg.wikipedia.org) fa tsy mbola be mpiraharaha isika. Vao misy zavatra tsy fantatsika dia ny Wikipédia no alehantsika voalohany hitadiavana ny dikany: rakipahalalana tokoa izy ity fa tsy rakibolana dia misy fanazavana bebe kokoa. Ny zava-misy anefa dia olontsotra toa anao ihany no ankamaroan’ny mpanoratra ao aminy ka mety tsy ampy ny zavatra voalaza ao na mety misy diso mihitsy aza. Ka aza tonga dia matoky loatra!

Efa be mpampiasa koa ny Twitter eto!
Niroborobo tokoa ny Facebook teto satria misy tambazotra roa manome izany maimaimpoana eto dia ny Orange sy ny Telma. Fa ilay fahatelo dia ny Airtel kosa dia nisafidy ny Twitter ho azo ampiasaina maimaimpoana. Tambazotra sosialy ohatran’ny Facebook ihany izy fa misy fahasamihafana kely ny filozofiany: fehezanteny misy fetra amin’ny halavany no azo alefa ao ary maivana kokoa izy. Fitaovana hahafana mampita tsotra sady aingana izy, solon’ny telegrama tamin’ny andro taloha ireny e! Fanaovan’ireo olo-malaza mpilalao horonantsary/mpihira (Lady Gaga, Charlie Sheen, sns) na ara-politika (Obama, Sarkozy, sns) fanambarana fohy sady mazava izy io. Lasa mpieboebo ho mpaharaka vaovao aingana ireo mpampiasa Twitter: tamin’ny fahafatesan’ilay kalaza Michael Jackson dia vao niala aina izy, segondra vitsy taoriana dia efa fantatry ny olona maro tamin’ny Twitter fa nodimandry izy.

Nisy adihevitra izay tamin’ny fahitalavitra momban’ny lohahevitra hoe: « Mahasolo ny anatry ny ray aman-dreny ve ny Internet? ». Dia sady Eny sy Tsia ny valiny raha ireo fitaovana telo ireo no lazaina!

Publicités

Un commentaire sur “Taranaka WTF ny tanora ankehitriny

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s