Coworking, inona izany?

Fomba fiasa vaovao malaza ankehitriny any ampitan-dranomasina any. Ny manamarika azy dia ny fifampizarana ny toeram-piasana

iray sy ny fipoirana tambazotram-piasa mahaleo tena (travailleurs indépendants, freelance) vokatr’izany.
Ny « coworking » dia fomba iray ahafahan’ireo mpiasa tena manofa toerana hiasana izay itambarana amin’ny mpiasa tena na orinasa madinika hafa. Tany USA no teraka ity fomba fiasa vaovao ity tamin’ny taona 2000 tany fa any Berlin renivohitr’i Alemaina no tena miroborobo izy ity ankehitriny, teo amin’ny 4 taona teo izay. Manintona tokoa izy ity satria mankaleo indraindray ny fitoka-monina raha ohatra ka any an-trano lava no manao ny asany ireo mpiasa tena ka aleo miaraka amin’ny besinimaro amin’ireo sehatra malalaka mampihatra ny « coworking ». Sady tambazotra koa izy ity ahafahana mifampizara traikefa, itadiavana mpanjifa, sns. Matetika dia toerana iray misy Internet aingam-pandeha (haut débit) izy ity ary hifampizaran’ireo mpanofa.

Ity sary ity dia ohatra any New York:

Ny Betahaus any Berlin dia isan’ireo toerana malaza natokana hanaovana « coworking », 2000 m² no velaran’ny toeram-piasana izay mahazaka olona 150 eo ho eo.
Raha eto Madagasikara no resahina dia ny fikambanana Malagasy i-Hub zao no isan’ireo misantatra izany.

Publicités

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s