Niala tamin’ny orinasa Facebook i Randi Zuckeberg

Vaovao nahoraka tamin’ny herinandro lasa teo izy ity ary soratanay etoana amin’ny tenimpirenentsika. Iza moa i Randi Zuckeberg? Maro angamba ianareo mpampiasa ilay tambazotra sosialy (réseau social) Facebook no mahalala an’i Mark Zuckerberg ilay tanora amerikana namorona azy, misy horonantsary momba izany moa nitondra ny lohateny hoe « The Social Network ». Samy Zuckerberg ny anaran’i Mark sy Randi, ity farany dia tsy iza fa anabavin’i Mark ary niara-nanangana ny orinasa Facebook izay isan’ireo matanjaka amin’ny sehatry ny haikajy eto an-tany.

6 taona aty aoriana dia nanapa-kevitra ny hiala i Randi ka efa miparitaka amin’ny tranonkala maro ny taratasy fametrahampialany. Hanangana tetikasa hafa izy « RtoZ Media » izay tsy inona fa orinasa amin’ny sehatry ny serasera hanampy ny orinasa hafa mba ho sosialy kokoa, hahay hampiasa ny tambazotra sosialy. Manana ny maha-izy azy ity tovovavy ity ao Silicon Valley ary isan’ny nahatonga ny Facebook ho mahery toy izao.

Marihina fa tsy hoe tezitra na nisy olana tamin’ny Facebook no antony nialany fa mba te handeha irery indray. Na dia tsy ao intsony ary izy dia mbola hampiroborobo ny orinasan’ilay anadahiny mpanalavitrisa ihany io tetikasa vaovao ho ataony io.

Publicités

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s